Filoha Rajoelina : « Vahaolana ny angovo azo havaozina »

Nahitsy ny filoha ! « Mano­didina ny 1.300 miliara Ar isan-taona ny trosa tsy voaloan’ny Jirama », hoy ny fi­loha Rajoelina, omaly, teny Iavoloha, nandritra ny filankevitry ny minisitra. Notso­riny, fa tsy voatery hanampy ara-bola ny Jirama foana ny fanjakana, fa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra mikaroka vahaolana. Isan’ny va­haolana nomeny ho an’ny Jirama ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny hijerena akaiky ny fifanarahana amin’ny fanofana ny gropy amin’ireo orinasa tsy miankina, ohatra. Ankoatra izany, tsy maintsy hampiakarina ny famokaran’ ny Jirama herinaratra avy amin’ny angovo azo havao­zina sy ny avy amin’ny toho-drano. Toy ireny, fanampiana ny tanjaka vokarin’ny toby any Andekaleka ireny ohatra, nananganana ny Andekaleka 4, tamin’ny taona 2022 teo, ohatra.
Nandroso vahaolana koa ny filoham-pirenena mikasika ireo toby mandeha amin’ny solika, izay saika toy izany avokoa ny ankamaroan’ireo tobin’ny Jirama manerana
ny Nosy. Nohitsin’ny filoha Rajoelina, fa « maro loatra ny halatra gazoala ao amin’ny Jirama. Toy ireny fiarabe mi­tondra solika nefa tsy fantatra hoe nankaiza avy eo… ». Vahaolana nomeny, atao am­baratonga ny fanovana. Ho­vaina tsikelikely ny solika hampandehanana ny gropy. Hovaina ho solika mavesatra « fuel lourd » ireo nandeha gazoala. Manampy izany, hampiroboroboina sady ampitomboina ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro.
Nisongadina ireo, nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany, notarihin’ny filoha Rajoelina, niaraka ta­min’ireo minisitra vaovao miisa valo, vao notendrena.

Njaka A.

Partager sur: