Zara raha fantatra i Maintirano

Anisan’ny seranan-tsambo, sokajy PIR i Maintirano, any amin’ny tapany andrefan’i Madagasikara. Distrika iray ao amin’ny faritra Melaky, zara raha fantatra ny momba azy. Tokony ho 600 km avy eto an-dRenivohitra, ka hatreo Tsiroanomandidy no 200 km, vita tara. Manomboka eo Tsi­roanomandidy hatrany Main­tirano, tsy azo aleha noho ny asan-dahalo sy ny faharatsian’ ny lalana.

Tsy misy tanteraka amin’ ity tanàna ity ny vinan’ny APMF (1), toy ny fametrahana fotodrafitrasa eo amin’ny seranan-tsambo, apetraka ha­naraka ny fepetra iraisam-pirenena ny seranan-tsambo, sns.

Betsaka ny vokatra any an-toerana tsy tafavoaka, an­jakan’ny mpanjono vaventy ny fari-dranomasina hafa, ary hatramin’izao malaza amin’ ny fanondranana omby velona ny avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Maintirano.

Ndrina

APMF(1) : Agence portuaire maritime et fluviale

Partager sur: