« Tsy tontan’ny ela »: Mirakitra tantara ho an’i Samoëla ao Antsahamanitra

Mitohy ny fankalazana ny 30 taona an-tsehatra. Rariny loatra raha handalo indray ao Antsahamanitra i Samoëla, hanohy ny tantara.

«Tsy tontan’ny ela ». Mahalaza be izay lohateny nosafi­diana izay. Ho an’ilay fampisehoana hotontosain’i Sa­moëla etsy Antsahamanitra, ny alahady 30 aogositra izao io, manomboka amin’ny 3 ora. « Impito ny tao Antsahama­nitra. Fanimbalony ity. Toe­rana mirakitra tantara ho an’i Samoëla sy ny mpankafy azy ao, ka tianay manokana », hoy ity mpanakanto ity, raha nanazava tamin’ny mpanao gazety .
Samoëla ranoiray, anatin’ ny 4 ora sy sasany, izany hoe, hira 50 eo ho eo. Misy 8 na 10 amin’ireo no hira tsy fanao an-tsehatra ka hozaraina indray amin’ny rindra vaovao. Izay Ilay « Tsy tontan’ny ela », satria efa nipetraka tsara hatrany amin’ny namoronana azy. « Fangatahan’ny mpankafy dia hatao izay. Tsy misy Zara Revy  koa Antananarivo amin’ity, fa io ihany ny seho goavana ankalamanjana », hoy hatrany i Samoëla.
« Adidinay ny kalitaon’ny seho amin’io. Izahay tia fety, izaho, mahafinaritra ahy ny manome fifaliana ho an’ny hafa. Fanamby lehibe ity », hoy kosa ny toky nomen’ny tomponandraikitra voalohan’ ny Zouk Pro, izay mpikara­kara.

Zo ny Aina

Partager sur: