TSELATRA

Ankizy lahy roa, 14 sy 16 taona, namoy ny ainy, omaly maraina, tany amin’ny kaominina Marolafy, distrikan’i Toliara Faharoa. Nilalao fitaovam-piadiana mahery vaika antsoina hoe: Grenade, izy ireo saingy nipoaka tampoka izany ka nipitika sy nahavoa azy ireo. Vokany, naratra mafy ka maty tsy tra-drano ny iray, raha adiny iray taorian’izay ny faharoa vao namoy ny ainy. Hitan’ireo ankizy ireo tao amin’ny toerana nisamborana vorona nahitana kirihitrala teo an-tanàna ilay grenade ka nolalaovin’izy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izany.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny amin’ny Digue Anosipatrana, afakomaly hariva. Moto roa no nifandona. Vokatry ny hamafin’ny fifandonana, maty tsy tra-drano ny mpitondra ilay moto marika Honda. Mbola maratra mafy sy efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ny mpamily ilay moto marika Kymco.
Tratra tao Moramanga, afakomaly, ny lehilahy 53 taona tompon’antoka tamin’ny fivarotana taratasy fahazoan-dalana hamily fiara sandoka. Amidin’izy ireo 100 000 hatramin’ny 150 000 Ariary izany. Notanana ao amin’ny biraon’ny polisy any an-toerana ny tenany, taorian’izay. Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ity mpisoloky ity. Nahitana ordinatera, Imprimante, Disque dur, fitomboka misy anaran’ny tomponandraikitra CIM, “Cachet sec” ary “Carton rose” tao an-tranony nandritra ny fisavan’ny polisy.

Partager sur: