Hotontosaina any Egypte, ny volana novambra 2027, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja baolina kitra, “Can U23” 2027. Hifandona eo amin’ny dingana voalohany i Madagasikara sy Comores.
Notanterahina ny talata lasa teo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny dingana voalohany, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2027”, ho an’ny sokajy zandriny U23. Hifanandrina voalohany amin’ny ekipam-pirenena Barea ny Cœlacanthes Comores.
Ho an’ny Barea zandriny, io fihaonana amin-dry zareo kaomorianina io no kihon-dalana voalohany mila dinganina raha tiana ny ho any Egypte, ny taona 2027. Raha ny fanazavana azo, hatao anelanelan’ny 28 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao ny fifandonana mandroso sy miverina amin’izany.
Raha tafavoaka eo anatrehan’ity Nosy rahavavy ity moa ny Barea, miandry azy ireo ny Bafana Bafana Afrika Atsimo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny volana novambra ho avy izao ny dingana faharoa. Marihina fa ity fifanintsanana “Can U23” 2027 ity dia tafiditra amin’ny lalao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika 2028”, any Los Angeles.
Mbola manjavozavo …
Hatreto aloha, mbola manjavozavo tanteraka ny resaka fanomanana an’ity lalao ity ho an’ny Barea zandriny. Tsy mbola fantatra ny anaran’ny mpanazatra hitondra izany, ary mbola baraingo ihany koa ny resaka fifantenana an’ireo mpilalao. Tsara ny mampahatsiahy fa ny fifaninanana zandriny tahaka izao no hijerevan’ireo mpitily ny mpilalao izay mendrika ho alaina any amin’ireo klioba goavana eto Afrika na any Eoropa.
Tsiahivina fa efa niady ny tapakila ny “Can U23” tahaka izao ny Barea, ny taona 2023, saingy nihintsana teo amin’ny fihodinana faharoa.
Fitia Randria




