Araka ny vaovao voaray omaly, tsy ho raikitra ny lalao miverina izay hifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny ekipan’ny FC Rouge, izay kasaina hatao ny alahady ho avy izao. Tsiahivina fa ity fihaonana faharoa ity dia tafiditra anatin’ny fanomanan’ireo klioba roa ireo ny fifaninanana afrikanina, « Ligue des Champions Caf » ho an’ny CFFA ary ny «Coupe de la Confédération» ho an’ny FC Rouge.
Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny CFFA, ny klioba FC Rouge, izay tokony hampiantrano ny lalao no nisafidy ny tsy hampandeha an’io fihaonana io. Etsy ankilany, ity klioba ity izay hitady lalao ara-pirahalahiana iray farany, amin’ ity herinandro ity, mialoha ny handehanan’izy ireo any Maurice.
Marihina fa hatao ny 5 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’i Cote d’Or, Maurice, ny fihaonana mandroson’ny CFFA sy ny Lijabatho FC Lesotho. Any Zambia kosa ny fifanandrinana mandroson’ny FC Rouge sy ny Red Arrows FC Zambia, ny 5 septambra ho avy izao ihany koa.
Fitia Randria




