Niteny momba ny Kianja Barea Mahamasina, ny talata lasa teo, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny filohan’ny antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany tamin’izany ny vola nolaniana tamin’ny fanamboarana sy fanavaozana io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io. “120 tapitrisa dôlara amerikanina no lany tamin’ny asa fanatanterahana ny Kianja Barea fa tsy araka ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha”, hoy izy, araka ny fanadihadiana efa natombok’ireo solombavambahoaka misahana ny fanadihadiana parlemantera ireo tetikasa teo aloha.
Nomarihiny fa nahavitana kianja manara-penitra iraisam-pirenena miisa telo izany vola izany. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana no niandraikitra ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina.
Ny Kianjaben’Imahamasina izay tsy mbola nahazo fankatoavana avy aminny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) sy ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ka tsy afaka nandray lalao iraisam-pirenena, tao anatin’ny roa taona izay. Maro ireo masontsivana takin’ireo rafitra misahana ny baolina kitra ireo, hasiam-panamboarana. Toy ny bozaka filalaovana, ny tohatohatra hivoahana miala ny “gradin” sy ny efitrano fisoloana akanjo ary ny toerana ho an’ny mpanao gazety, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.
Tompondaka




