« Live Stage », andiany fahatelo : Rija Ramanantoanina sy ny Bandy Baraka Big Bang

Mpiangaly mozika 25, miampy ny mpihira. Azo tanterahina tsara na anaty efitrano aza izany. Fanamby fahatelon’ny andian-tseho « Live Stage » ity.

Izay efa nahita dia afaka mi­joro vavolombelona. Seho tena mampitsangambolo ireo tena mpankafy mozika ny fiarahana amina Big Band. Iray tamin’ireny ny efa notontosain’i Rija Ramanan­toanina sy ny Bandy Baraka Big Band. Izay endri-tseho izay ihany no hozaraina amin’ny «Live Sta­ge» andiany fahatelo, hotontosaina rahampitso 28 aogositra, manomboka amin’ny 7 ora, etsy amin’ny La Balançoi­re Ivandry.
«Mila sofina mahay mankafy mozika fa aminy tonga amin’ilay raitra io Big Band io. Io ny rindran-tseho tiako in­drindra satria nisy fanoma­nana majika tao anatin’ny enim-bolana tao», hoy i Rija Ramanantoanina,omaly, raha nampahafantatra ny hetsika. «25 no isan’ireo mpitendry mandrafitra ny Bandy Baraka Big Band. «Mila kalitao ny mozika. Ary nofanina nandritra ny taona maro ireo mpikambana. Manana ny talenta sy ny kalitao ireo mpanao mozika ireo», hoy ny nambaran’i Seta, mpitarika ny Big Band.
Nikaondoha ny Lagence, La Balançoire ary ny Nyr Image ny amin’ny hampivoarana ny kanto malagasy. Te­ra­ka teo ny tetikasa «Live Sta­ge». Hetsika ara-javakanto manana kalitao te hanolotra zavatra tsara ho an’ny mpijery. Tsy voatery fampisehoana mozika ihany fa mety ho zavakanto hafa toy ny hosodoko sy ny endri-kanto hafa koa izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. I Fanja Andriamanan­tena no nanombohana azy. Nanaraka avy eo i Jaojoby sy i Denise. Ampy nitarafana ny haavon’ny kalitaon’ny « Live Stage » ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: