Lehilahy iray naratra mafy tototry ny tany tetsy Miandrarivo Ambanidia, omaly atoandro. Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina nisokitra ilay olona niharam-boina. Niady fototra ny lehilahy miisa efatra, saingy nihotsaka tampoka ny tany. Taorian’ny fikarohana, avotra soamantsara izy ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny HJRA Ampefiloha.
Lehilahy iray nananton-tena tao amin’ny toeram-pivoahana natokana ho an’ny daholobe tetsy Analakely, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro. Niditra sy nilaza hivoaka ao amin’ilay toeram-pivoahana izy. Naharitra fotoana ela izy no tao ary nohidiny avy any anatiny ny varavarana. Voatery namoha ny varavarana ny mpiandry io toerana io ary efa izy nihantona tamin’ny tady sy efa nihinjitra no hita tao. Nifamonjena ary nentin’ny polisy tany amin’ny hopitaly.
Zandary iray namoy ny ainy teny an-dalana, rehefa avy nanara-dia omby very tany Toliara, omaly. Nisy dahalo nangalatra omby tany an-toerana ka nandeha nanara-dia ity zandary ity. Tafaverina soamantsara ireo omby very. Nitambotsotra tampoka teny an-dalana anefa ity farany, taorian’ny iraka nataony, ka tsy tana ny ainy.
Naiditra vonjimaika am-ponja ny vehivavy tompon’antoka naniraka ankizy tsy ampy taona hanao fihetsika mamoafady tany amin’ny fokontany Aranta Mahajanga. Tratra ny zoma 21 aogositra teo izy. Zaza maherin’ny 10, roa hatramin’ny 15 taona, no lasibatr’ity asa ratsy ity. Nalainy horonantsary ary namidiny tamin’ ny teratany vahiny izany. 3 000 hatramin’ny 10 000 Ariary no nomeny ireo ankizy ireo.




