TSELATRA

Naratra mafy voatery nentina hopitaly ny mpitondra taxi-moto iray tra-doza teny Nanisana, omaly. Nitondra mpandeha, nisosa ka nifatratra tao ambany fiara ny moto nentiny.
Fiara roa nifandona ka naharatrana vehivavy iray, teny Anosimasina Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Niditra an-tsehatra nandamina ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana.
Fiara tuc-tuc nidona tamin’ny sprinter teny amin’ny lalam-pirenena 43, afakomaly tamin’ny 07 ora hariva. Namoy ny ainy ny mpandeha roa tao amin’ilay tuc-tuc, raha naratra ny iray. Taorian’ny loza, nandositra ny mpamilin’io fiara kodiaran-telo io ary mbola karohin’ny zandary. Fandehanana mafy tao anaty fiolahana sy ny tsy fahaizana nifehy ny familiana no nahatonga ny loza. ‎
Voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy ny lehilahy iray mpamaky trano tao Ambodihady, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly. Nalainy ny vola 400 000Ar, niampy entana ao amin’ny trano lasibatra.

Partager sur: