Tsy fanatanterahana andraikitra sy tsy fahatomombanana fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takin’ny asa. Ireo no antony fototra nampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, araka ny fampitam-baovaon’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Hamafisiny fa ampiharina amin’ny fomba hentitra sy tsy misy fanavahana ny didy aman-dalàna sy ny fitsipika mifehy ny mpiasan’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja.
Hotanterahina rahampitso alahady ny fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny fanatontosana ny fikaonandoham-pirenena. Hitohy amin’ny fampiofanana ireo mpanamora eny anivon’ny distrika ny fandaharam-potoana, ny 1 hatramin’ny 11 septambra izao, araka ny fandaminana efa napetraka.
Nodimandry, omaly zoma 28 aogositra, teo amin’ny faha-89 taonany, ny mpanjaka Harald V any Norvège, araka ny fanambarana tao amin’ny Lapam-panjakana Norvezianina. Efa narary tany amin’ny hopitaly ao Oslo, nanomboka ny 17 aogositra izy ary izao nodimandry izao.




