Faribolana Sandratra : Hisokatra ny taom-piantsana

Hisokatra ny sabotsy 19 septambra 2026 izao ny taom-piantsana ho an’ny Faribolana Sandratra. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay, ny Cercle Germano-Malagasy (CGM/GZ) eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no hanatanterahina ity antsa tononkalo santatra ity. Tranga anisan’ny hampiavaka ity antsa ity ny fandraisana anjaran’ireo dimy mirahalahy izay sady mpanoratra no mpilalao sarimihetsika. Antony, rahateo, nampitondrany ny lohateniny hoe : « Sarimiantsa ». Eo ihany koa ny fisian’ny fampahafantarana ny mpiantsa tsirairay amin’ny alalan’ny tantara fohy miendrika sarimihetsika. Mpihira sady mpilalao sarimihetsika koa no hanafana ny sehatra sy handravaka ny antsa « Sarimiantsa ». Hiventy ireo sary rehetra misy eto amin’ny fiainana sy any ambadiky ny fiainana i Mina Ilarion, Nofy, Christophe Rabearimanana, Anjara Tsy Ahy, ary i Haintso Nirina.
Marihina fa malalaka ny lohahevitra hoentin’ny tononkalo tsirairay. « Ny fikatsahana ny kanto ho an’ny mpanatrika sy ireo mpitia zavakanto no katsahinay. Tsy nasiana ny lohahevitra tokana amin’io fotoana io », hoy ny mpiraifaribolana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: