Tanjon-dRakotoarimanana Niry Ndranto na Ranto amin’ny fikirakirana ny mozika ny hamokatra kanto an-kira mitoetra sy mipetraka mahatety vanim-potoana maro mifandimby tahaka ny efa nataon’ireo mpanakanto andrarezina maro. Nanteriny fa «manamora ny famokarana ny mozika ny fisian’ny teknôlôjia ankehitriny, saingy, mila apetraka mandrakariva manoloana izany ny fanomezan-danja ny lafiny famoronana avy any anaty mba tsy hahavery ny maha zava-kanto itoeran’ny fanahy ny mozika ». Ho fanatrarana io tanjony io, miroso hatrany amin’ny fiangaliana ny vazo miteny manaraka ny toetrandro i Ranto.
Manome lanja sy hasina ny tsanganasan’ity mpanakanto tanora ity ihany koa ny fisian’ny anatra sy ny hafatra sahaza ny sokajin-taona rehetra anatin’ireo tononkirany. Omeny vahana kokoa ny fampiasana ny rima sy ny endrika hatsikana anatiny ihany koa izy. Anton’ izay ny hanamora ny fampitana ireo hafatra sy anatra. Tsy atoro amin’ny famolahana ny rima, rahateo, izy noho ny efa nilomanosany an-taonany maro tao anatin’ny tontolon’ny rap.
Ny taona 2022 no nikopak’elatra samy irery nanangana tarika ho azy i Ranto. Hahenoana feon-gitara tsotra hatrany ireo vazony. Nanovo fahalalana sy nifehy ity zavamaneno ity avy amin’ny fampianaran-drainy izy. Ilay tsanganasa “Atao tsotsotra” nohajariana avy amin’ny fampiarahana ny “afro beat” sy ny vazo miteny, nolaroina fanahy malagasy no nentiny nambabo ny fankafizan’ny maro.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto




