Filohan’ny Fanavaozana: “Anaovako fanaraha-maso izay nampanantenaiko”

Nitokana ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny filohan’ny Fanavaozana, afakomaly. Nambarany nandritra izany fa hanara-maso ireo zavatra nampanantenainy izy.

“Hanaovako fanara­ha-maso ny zavatra izay nampanantenaiko, rehefa tonga aho.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Mahajanga, afakomaly, nitokana ny fahavitan’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Maha-janga. Ny tsy maintsy hamita ny lalana mamakivaky ny oniversite ao Ambondrona ny fampanantenana, inoany fa ho vita hatramin’ny farany. Foto­drafitrasa lehibe ho an’ny tanànan’i Mahajanga sy ho an’i Mada­gasikara ny seranan-tsambon’i Mahajanga izay stratejika: mamelona olo­na sy seha-pihariana maro, miantoka ny fivezivezen’ny entana sy ny olona, vavahady amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nisaorany ny Banky iraisam-pirenena na­nampy tamin’ny vola 10 tapitrisa dolara mahery na 43 miliara Ar mahery.
Efa antitra ny seranan-tsambon’i Mahajanga teo aloha, mila fanarenana haingana sy fanamafisana ny fototra sy ny fametrahana vatofantsika indostrialy. Fanoitra fampandrosoana ny Faritra sy fototry ny fivoaran’ny firenena ny seranan-tsambo rehefa mihodina. Tsy hijanona eo ny ezaka, fa tanjona ny hihodinan’ny seranan-tsambon’i Maha­janga araka ny fenitra sy endrika maoderina. Hojerena koa ny fanamboarana ny fiantsonan’ny fiara manao zotra rezionaly. Toy izany koa ireo toerana mampiavaka an’i Mahajanga. Nanolotra nofon-kena mitam-pihavanana 30 tapitrisa Ar ho an’ireo tanora tonga teny an-toerana izy.
Taorian’izay, tany Nosy Be Hell-Ville, nihaona mivantana tamin’ireo solontenan’ny va­hoaka izy. Nahazoana fitarainana ny famatsian-drano madio fisotro; ny fitantanana ny kaominina nangatahana fanendrena PDS, ka handefasana Inspection général d’Etat (PGE) hanadihady; ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana; ny fananan-tany… Samy nitondran’ny filoha vahaolana avokoa ireny.

R. Nd.

Partager sur: