Milanja 37 taonina (t) ireo vary novidian’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) tamin’ireo tantsaha ao Tsiroanomandidy raha toa ka novinavinaina ho 200 t izany teo aloha. Raisin’ny orinasa 1 500 Ar isaky ny kilao ireo vary akotry ary fanombohana ihany ny hetsika atao. Hitohy izany arakaraka ny fahavononan’ny lisitry ny tantsaha manam-bary hamidy.
Tafakatra 11 000 hatramin’ny 13 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso any Ambodivohitry Kobahina, kaominana Ambalamanasy II, distrikan’Andapa, raha 10 000 Ar izany teo aloha. Nahazoana ny vokatra ny fifaninanana eo amin’ny orinasa mpividy. Tonga tany an-toerana ireo orinasa nisitraka famatsiam-bola avy amin’ny Alliance pour la Vanille (AVM).
Mahatratra 24 000 m³ isan’andro ny rano vokarin’ny UTC 1000 ao Mandroseza taorian’ny andrana ara-teknika natao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena, izay tanterahin’ny MEAH, ny tetikasa. Hanampy amin’ny fampitomboana ny fahafaha-mamokatra sy hanatsarana ny fisitrahan’ny mponina rano madio fisotro ny fotodrafitrasa.




