IFR: Faritany mizaka tena no vahaolana

Mitaky ny hametrahana ny faritany mizaka tena ny fikambanan’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR) nandritra ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny boriborintany faharoa, ny faran’ny herinandro teo.
Sady tsy fanjakana tokana no tsy fanjakana federalisma no takin’izy ireo fa faritany mizaka tena mihitsy. Tsy tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fajakana foibe aty Anta­nanarivo ny fampandrosoana any amin’ny faritra fa mahaleo tena ary manana ny fahefana feno amin’ny fitantanana izay olona hapetraka hitantanana izany faritany izany.
Etsy andaniny, nilaza ny filohan’ny IFR, Tovonanahary Rabetsitonta, fa tokony hatao ao anatin’ny roa volana ny fikaonandoham-pirenena fa tsy iandrasana ela. Tsy tokony hitarina ela ny fanaovana ny fikaonandoha satria maika ny fampandrosoana itondrana ny hevitr’ireo eny ifotony. Ny fanjakana no tokony hikarakara mivantana izany fikaonandoham-pirenena izany fa tsy ny FFKM. Miantoka ny ara-moraly kosa anefa ny FFKM. Voafetra ny fakan-kevitra rehefa ny FFKM no manatanteraka izany satria misy ny silamo sy ireo tsy kristianina kanefa manan-kevitra tsara tokony handray anjara amin’izany.
Ankoatra izay, hanamarika ny andron’ny 25 septambra izay nampamaivay ny tolona ka nahatongavana amin’izao fanavaozana izao ny Gen Z ofisialy, miaraka amin’ny IFR.

Tatiana A

Partager sur: