Omena fe-potoana 15 andro ireo kaoperativa hiala eny amin’ny toby Fasankarana. Antony, efa ilain’ ny tompon-tany amin’izay ny toerana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana fa efa misokatra ny toby eny Amoronankona, ary efa mihatra ny fifindran’ireo mpitatitra eny. Miaraka amin’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny fifindran’ireo mpitatitra.
Afaka ny sakana miditra mankany amin’ny orinasa QMM Taolagnaro, ny marainan’ny alahady
30 aogositra teo. Tsiahivina fa ireo mpikambana ao anatin’ny antsoina hoe « Vondron’olona Andranokana » no nametraka ny sakana ho fitakiany ny onitra momba ny taniny tamin’ny orinasa QMM. Mitohy ny fifampiresahana anaty fitoniana sy ho fandalàna ny fiarahamonina mirindra ao Taolagnaro.
Efa vita fandravonana ny lalana mirefy 23 km mampitohy an’Ilempona Antanifotsy sy Belanitra. Mitotaly 62,7 km ity lalana ity, izay hatao godirao tanteraka. Tafiditra ao anatin’ny fananganana tohodrano lehibe, mamokatra herinaratra ao anatin’ny tetikasa Sahofika. Maharitra 12 volana ny asa, izay heverina ho vita tanteraka amin’ny volana jona 2027.




