Hotanterahina eny amin’ny Kianja Andohatapenaka ny fiofanana ho an’ireo mpamonjy voina, eo amin’ny taranja rugby, ny tontolo andron’ny alakamisy 3 septambra ho avy izao. Hitarika izany ireo dokotera manampahaizana eo anivon’ny Malagasy Rugby.
Lasan’i Balôty sy i Lova ary i Bondy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny Mondial de la ville de Bron, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana, satria ny ekipan’i Tonnerre sy i Tafita ary i Mika no resin-dry zalahy teo amin’io famaranana io.
Vehivavy mpilalao basikety miisa 6 nantsoina hiatrika fampivondronana nanomboka omaly, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny basikety 3 x 3 ho an’ny sokajy U23. Fihaonana hatao any Wuhan Shi, Hubei Chine, ny 15 hatramin’ny 19 septambra ho avy izao.




