Vono olona atsy, fakana an-keriny aroa. Sorona? Fa misy inona?… Mikorontana ny fiainam-piarahamonin’ny Malagasy. Firenena voaozona? Misy mamboly horohoro? Voakitika ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina.
Tsy voahaja intsony ny soatoavina. Nanjary mora sy tsotra amin’ny Malagasy ny mandatsaka aina, sns. Mikorontana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Mahazo tsiny ny fanabeazana. Tsy nahavita ny adidiny ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitondra sy ny mpitantana isan-tsokajiny? Raha ny tranga misy, eny, tsy efan’ireo lazaina ho mpanabe ireo ny adidiny. Mifampiankina amin’izay, mahazo tsiny mavesatra ihany koa ny tontolon’ny kolo saina, kolo fanahy, fomba amam-panao, sns. Tsy manana ampahana fahalalana kely monja momba ireny intsony ny Malagasy? Eny, satria, raha fantany fa aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha, tsy nisy ireo tranga mampivarahontsana ny Malagasy. Mitady hivarina sy ho tonga any amin’ireo tranga tsy niainan’ny Malagasy fahiny tany ambadik’Imanareza ny fiarahamonina ankehitriny. Misavorovoro eo anoloan’ny Malagasy ny zava-drehetra, satria, maro loatra ireo « zavatra » nananany no very, takona, simba, novaina, nodisoina, sns.
Tsara ny miainga any amin’ny fototra, saingy…
Tsy ampy raha miasa irery ny ray aman-dreny. Be loatra ireo fakofakon-javatra tsy sahaza ny kolo saina sy kolo fanahy ary soatoavina malagasy, tonga tsara toerana sy mitady hifaka eo amin’ny Malagasy tsirairay. Noho izany, mitaky fifarimbonan’ny mpanabe ny manitsy izany. Ny tsy vitan’ny ray aman-dreny, hatrehin’ny mpampianatra. Ny tsy tafita any an-tsekoly, harenina any anatin’ireo sehatra samy hafa (fikambanana, ivontoerana, sns).
Hiverenana ireo fomba nentin’ny Malagasy nanabe sy nananatra ny zanany. Ampidirina any anatin’ny fandaharam-pianarana ny taranja fanabeazana ho tonga olom-banona sy ny fampahafantarana ireo soatoavina malagasy. Mila fitandrelana fatratra, anefa, ny fanatanterahana izany mba tsy vao mainka hampidi-kizo ny taranaka.
HaRy Razafindrakoto




