“Hametraka ny fitoniana politika ny dinika politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hafa ny fakan-kevitra politika. Hodinihina amin’ny dinika politika kosa ny fitantanana fifidianana, fitantanana andrimpanjakana, fifitantanana politika. Ny fametrahana etika politika no hamerenana ny fifampitokisan’ny mpanao politika sy ny vahoaka, na ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka. Tokony hitambatra ny antoko politika izay mitovitovy fijery sy hevitra. Mila mahafeno fari-pifidianana izay, ka ravana izay tsy izay. Tsy maintsy mahafeno fari-pifidianana manerana an’i Madagasikara ny hoe antoko politika. Ravana koa rehefa tsy mandray anjara amin’ny fifidianana. Tsy misy intsony ny hoe tsy miankina amin’izany. Any amin’ny dinika politika no handinihana an’izay.
“Ny tsy fahatokisany ny Ceni no antony”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe tsy mandray andraikitra ny antoko politika lehibe sy ny fiarahamonina sivily amin’ny fanentanana sy fanabeazana ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Ny Ceni miala no zava-dehibe, fa tsy izy mikarakara fifidianana. Efa teo no niala; avy eo, miverina eo ihany. Tokony ho rafitra sy olona vaovao no ho eo… Tsy maintsy ravana aloha ny Ceni amin’ny hamerenana izay fahatokisana azy izay. Tsy mety ny hamerenana ny fikarakarana fifidianana any amin’ny minisiteran’ny Atitany, fa efa izay no nialana. Ny fanjakana no manana tombondahiny amin’izay. Ny fanjakana no mibaiko ny Atitany no mahasarotra azy. Rehefa tsy mitovy loko aminy ny tena, tsy hapetrany hikarakara fifidianana. Tena tokony hahaleo tena izay rafitra mikarakara fifidianana izay, manana ny enti-manana rehetra ilaina.
R. Nd.




