Fantina sy fintina

Nahazo 10 miliara Ariary avy amin’ny fitondrana fanavaozana ny Secren (Société d’études,
de construction et de réparation navales), ho famere­nana indray ny fahaleoavan-tena ara-bolany. 600 tapitrisa Ariary kosa no natokana handoavana ny karaman’ny mpiasa, volana mey sy jona. Manana
anjara toerana stratejika eo amin’ny toekaren’i Mada­gasikara ny Secren ka antony hanohanan’ny fitondrana azy ireo.

Lany teo anivon’ny antenimierampirenena, omaly, nandritra ny fivoriambe, ny volavolan-dalàna laharana 038/2026, tamin’ny 1 jolay 2026, ka mampitombo roa taona  ny fetra-taona handehanana misotro ronono,  ho an’ireo sokajin’ny zandary sy miaramila. Miisa 800 ireo zandary sy miaramila voakasik’ity volavolan-dalàna ity, ho amin’ny taona 2026.

Nanatitra ny fakan-kevitra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny FFKM ny Ceni, afakomaly. Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany ny lisitry ny mpifidy, ny fandaharam-potoan’ny fifidianana, ny firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra, ny fitantanana sy fikirakirana ny latsa-bato. Eo koa ny fifanolanana amin’ny fifidianana, ny fanaraha-maso, ny fandaminana ankapobeny eo anivon’ny Ceni

Partager sur: