Ankehitriny, olona 1,7 tapitrisa eto Madagasikara no miatrika olana goavana amin’ny fahazoana sakafo ampy, araka ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam/WFP). Anisan’ny antony voalaza ny fiankinandoha amin’ny fambolena miankina amin’ny orana, ny fahavitsian’ny fidiram-bola, ny fiakaran’ny vidin-tsakafo ary ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Rehefa mikorontana ny fizaran-taona, maharitra ny haintany ka mihena ny vokatra.
Notanterahina omaly, tao amin’ny faritra Alaotra-Mangoro, ny fivoriana isam-bolana fanao mahakasika ny fandrindrana ny asa eo anivon’ny tetikasa Riz Plus. Samy nanolotra ireo asa kasaina hotanterahina sy ireo laharam-pahamehana ny tsirairay. Nivoitra tamin’izany fa mila hahena ny loza mety hitranga mandritra ny fanatanterahana ny asa; mila hamafisina ny serasera eo amin’ireo mpisehatra sy ny ekipa ary mila fenoina ireo lasitra momba ny fivoaran’ny asa rehetra.
Tanterahina ao Mahajanga, mandritra ny efatra andro, ny atrikasa ho an’ireo Veterinera ara-pahasalamana avy amin’ny faritra Diana, Sava, Boeny, Sofia ary Betsiboka. Hamafisina ny fahaizan’ireto mpisehatra ireto amin’ny fanaraha-maso, famantarana ary fampandrenesana ireo aretina mahazo ny biby. Horesahina ihany koa ireo karazana aretina mety hifindra avy amin’ny biby amin’ny olombelona na antsoina koa hoe “zoonose”.




