PSNSSP: hahafahana misoroka aretina mialoha

Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo ny fankatoavana ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eto Madagasikara. Nampahafantarina ny drafitra stratejika nasionaly momba ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka (PSNSSP).
Fototra lehibe iorenan’ny fiarovana ara-pahasalamana izany, hahafahana mamantatra mialoha ireo loza manambana sy mitatao ary hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny ambana ara-pahasalamana. Hahafahana mandrindra haingana koa ireo fepetra fisorohana.
Hisongadina ny tombontsoa entin’ity PSNSSP ity eo amin’ny fahasalamam-bahoaka. Ho fantatra mialoha ny tandindon-dozan’ireo karazana aretina heverina hiseho. Hahomby kokoa ny famaliana izany hamehana ara-pahasalamana izany.
Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa DataFi sy ny masoivohon’i Etazonia no nahafahana namoaka ny tondrozotra mahakasika ity fanaraha-maso ara-pahasalamana ity.
Naneho fahavononana ihany koa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanamafy ny rafitra nasionaly momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy hanao laharam-pahamehana ny fiarovana amin’izany.

Tatiana A

Partager sur: