Fantina sy fintina

Nihaona tamin’ireo ambasadaoro malagasy any ivelany miisa telo vao notendrena, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra N’Diaye Alice. Nampahatsiahivany ny andraikitry ny tsirairay sy ny zotra itondrana ny diplomasia malagasy izany. Eo ny fampiroboroboana ny endrik’i Mada­gasikara any ivelany sy ny fiarovana ny tombotsoan’ny firenena ary ny fiarovana sy fanetsiketsehana ireo Malagasy am-pielezana.
Nanolotra ny dika mitovy ny taratasy fanen­drena azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, teny Anosy, afakomaly, ny ambasadaoron’i Frantsa, i Jean-Marc Gros­gurin. Nisy ny jery todika ny fiaraha-miasa marolafy eo amin’ny firenena roa tonta, nanamafisana ny fahavononana hamita ny fiaraha-miasa vofaritry ny filoham-panjakana roa tonta tany Paris, tamin’ny febroary 2026.
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fana­tanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny biraony, omaly, ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny roa tonta ny dinika.

Partager sur: