Vaovao Tambatra

Ny faritra Vakinankaratra indray no nanatan­teraka ny Fikaonandoham-paritra momba ny tetibola, (CBR), ny talata 1 septambra teo, tany Antsirabe. Fo­toana nihainoana mivantana ireo filana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana eny ifotony. Tanjona ny hampifanaraka ny tetikasa sy ny loharanom-bola misy amin’izay tena ilain’ny mponina, mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny vahoaka. Hatao manerana ny Nosy ity fikaonandoha ity.

Hatao ny 8-11 oktobra 2026 ho avy izao ny fifaninanana mandroso tetikasa, hikarohana vahaolana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny sehatry ny lohamenaka (Climathon). Voakasik’izany ny
faritra Matsiatra Ambony. Hetsika karakarain’ny Mia­raka, tafiditra ao anatin’ny tetikasa Arche, eo ambany fia­hian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Maimaimpoana ny fandraisana anjara.

Vonona handray anjara amin’ny fanamboaran-dalana eto amintsika i Inde. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny orinasa indianina, MEIL, nijery ny lalam-pirenena RN1Bis, (Tsiroanomandidy-Main­ti­rano), ny mankany Bemolanga ary ny RN13 manon­tolo (Ihosy-Ambovombe). Hanohana sy hanamora ny fahatongavan’ireo mpamatsy vola indianina ny fitondram-panjakana malagasy.

Partager sur: