Fahalalana sy fahendrena, kolontsaina napetraky ny razana. Ny siansa sy lalàna, rindra nentin’ny zanakolombelona hahatsara ny fiainany sy ny manodidina azy. « Afaka miara-dalana tsara ireo amin’ ny fampandrosoana sy fampivoarana ny tsirairay sy ny fiarahamonina », hoy ny printsy Andry Rodrigue. Ireo rehetra ireo hampiharina ao anatin’ny fanarahana ny didy aman-dalàna misy, raha ny fanazavany hatrany. Eo ihany koa ny fanajana ny soatoavina. Na izany aza, maro amin’izy ireny (didy aman-dalàna) no efa ilam-panavaozana hanaraka ny vanim-potoana iainana ankehitriny.
Raha ny fanazavany hatrany, ny lalana nodiaviny no anisany ahafahany milaza fa azo atao ny mampiaraka ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny siansa. Nandray fanabeazana maro izy. Mpahay momba ny zavapanahy, nametrahan’ireo teo aloha adidy ho amin’ny fampanjakana
ny soa iombonana. Mpahay momba ny famahavahana ny soratra fahiny ihany koa ary mpahay siansa momba ny
atidoha. Manana fahalalana amin’ny fandinihana sy famakafakana lalina ireo didy aman-dalàna ny tenany. Hamoaka boky momba izany, rahateo, ny printsy Rakotoarisoa Andry Rodrigue, raha ny nambarany.
Nohamafisiny fa natao hanasoavana ny mpiara-belona, hampirindra ny fiaraha-monina, hampandroso ny rehetra ny fananana fahalalana sy fahendrena ary ny fahaizana ny siansa.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




