Notolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra ary ny kolontsaina, ireo enina mianadahy, mpaka sary pika matihanina. Izay mpikambana eo anivon’ny Union des photographes professionnel de Madagascar (UPPM). Natao omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny lanonana fizarana. « Fiarahabana azy rehetra tamin’ny fahavitana ny dingana sy ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny sary izao fizarana izao. Eo koa ny fanomezan-danja ny sehatry ny pika sary malagasy sy ny asa ara-javakanto ataony amin’ny maha matihanina azy», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. Mbola tsy hita taratra loatra ary takona tanteraka ny sary pika malagasy eto Afrika, raha oharina amin’ny any ivelany, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fikambanana UPPM. « Tsy noho ny tsy fanana traikefa anefa no antony fa noho ny fahasarotan’ny fikarakarana ireo dingana atao hidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina iraisam-pirenena », hoy ihany izy. « Fanomezana faharoa ho anay ato amin’ny UPPM izao », hoy Rajaonarivelo Felana, filohan’ny fikambanana. Nohamafisiny fa voaray ao anatin’ny kolontsaina malagasy ary miezaka ny hanandratra izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy nasionaly izy ireo. Hiroso amin’ny dinidinika hahazahoana ny karatra maha matihanina sy hanatsarana ny lalàna mifehy ity tontolon’ny fanaovana sary pika ity ny fikambanana sy ny eo anivon’ny minisitera.
Mino




