Hita omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, ny vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray manodidina ny 20 taona. Nandeha lakana niaraka tamin’ny tovolahy miisa roa izy ny harivan’ny alarobia 2 septambra, tokony ho tamin’ny 7 ora teo. Nandeha lakana avy ao Andromba ary hihazo ny fokontany Ampisarahana, kaominina ambanivohitr’Andrebakely, izy ireo. Nisedra olana ara-toetr’andro anefa izy ireo teny afovoan-drano, satria nahery sy nitsoaka mafy ny rivotra. Nivadika tampoka ilay lakana ka nilentika tao avokoa izy rehetra. Natao ny famonjena voina azy ireo ary avotra soa aman-tsara ny roa. Tsy hita popoka kosa ny iray nanomboka teo ary nitohy nandritra ny alina sy ny maraina ny fikarohana nataon’ny fokonolona any an-toerana. Mbola nitohy omaly izany, ary izao hita faty omaly tolakandro izao izy. Tonga teny an-toerana naka ny razana ny fianakaviana. Taorian’ny fampakarana ny razana an-tanety sy ny fanadihadiana nataon’ireo tomponandraikitra, natolotra ny fianakaviana ny razana ary nentina any amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambodimanga. Tsiahivina fa olona efatra ihany koa no namoy ny ainy, navadiky ny lakana tao amin’ity ranon’Alaotra ity, ny sabotsy 29 aogositra teo. Nahitana zaza telo taona iray izany.
Mino




