Tsy eto an-toerana ihany fa mipaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Any Aostralia, tsy ekena ho zavakanto vokarin’ny aingampanahy ireo hira vokarina amin’ny « IA ». Nanara-dia ihany koa ny any Kanada…
Nitondra fiovana lehibe maneran-tany ny niroboroboan’ny «Intelligence Artificielle» na «IA» tao anatin’ny taona vitsy. Saika mampiasa na ampiasaina azy io avokoa ny sehatra rehetra. Anisan’izany ny tontolon’ny hira. Maro ireo tsy tia fa tsy vitsy koa ireo miantehitra fatratra amin’ny «IA», amin’ny fikirakirana ny sanganasany, ny mpanakanto. Iray naneho ny tsy fankasitrahana ny fampiasana ny «IA» eo amin’ny sehatry ny famoronan-kira ny fitondrana any Aostralia. Nanaraka izany ihany koa ny any Kanada. Iraisan’ireo firenena ireo ny tsy hanomezana ny zon’ny mpamorona raha toa ka fantatra fa avy amin’ny fampiasana ny «IA» manontolo no nentina namorona ilay hira.
… Taorian’io tranga io, manomboka taitra ny maneran-tany. Mihiratra ny mason’ireo lazaina fa mpanakanto, mpamorona, sns. Samy manontany tena : «aiza ho aiza tokoa moa izany ny toeran’ny aingampanahy sy ny fahaiza-mamorona» ? «Rariny sa tsy rariny ilay fanapahan-kevitra» ? Mianaka vetivety any amin’ireo firenen-dehibe ny fahasahiranan-tsaina manoloana ny firoboroboan’ny «IA» eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy zavakanto.
… Ho an’i Madagasikara manokana, ny fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy hahafantatra ny tontolon’ny «IA» no anisan’ny laharam-pahamehana. Mifanindran-dalana amin’io ny fampahafantarana fa manana zavakanto nipoitra avy amina aingampanahy ny Malagasy. Ao ihany koa ireo nolovaina tamin’ny razana. Ireny ilay mahatety vanim-potoana. Tsy ho resin-tosiky ny teknôlôjia? Raha beazina ahafantatra ny momba azy ny Malagasy, tsy mahazo laka eto ny hira sy mozika ateraky ny «IA».
HaRy Razafindrakoto




