Nanomboka omaly, hitohy hatramin’ny alahady, eto an-dRenivohitra, ny hetsika an-tanàn-dehibe, “Urban Flow Festival”. Maro ny hetsika tanterahina eo amin’ny Parvis Analakely. Miandrandra ny fandraisan’ny tanora maro anjara ny mpikarakara. Fotoana natokana hanehoan’izy ireo ny fahaizany amin’ny kolontsaina iainany ireo fotoana ireo.
Ho an’ireo mpiangaly sy mpankafy ny dihy an-tanàn-dehibe “Urban Dance”, hanomboka rahampitso ny fanehoana talenta ho azy ireo, eny an-toerana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny Bboy Bgirl Malagasy (BBM), tomponandraikitry ny fifaninanana dihy, omaly, dia natao adin’ny tsirairay, “Battle 1 vs 1” ny fifanintsanana.
Hisy ny lalao natokana ho an’ireo AllStyle (afaka hanaovana ny: Afro, Dancehall, HipHop, Krump), sokajy zandriny U16 sy ny ho an’ny rehetra. Hitsara ny fihaonana amin’izany ireo mpandihy fanta-daza, ta an-dry Jessica FLRV, Queen Crows, Sckratty. Eo ihany koa ny Break Dance, izay natokana mihitsy ary hiandraikitra ny fitsarana amin’
izany ireo mpandihy voky traikefa sy kalaza toa an-dry Bboy M.Y sy Bboy Noriya ary Bboy Fabio.
Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny lelavola omena izay mandresy, ka iray hetsy Ariary ho an’ny U16 AllStyle, roa hetsy Ariary avy kosa ny an’ny AllStyle Open sy ny Break Dance. Ankoatra ny dihy, hita ao ihany koa ny taranja fifaninanana maro, toy ny Parkour, BMX, Skate, Basikety 3×3.
Fitia Randria




