Zotram-pifidianana: hanampiana an’i Madagasikara ny tetikasa APERM

Araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Ceni, teny Alarobia, omaly, nofaranan’ny komity mpitantana tamin’ny fivoriana fahenina ny tetikasa Fana­mafisana ny fizotran’ny fifidianana sy ny demokrasia eto Madagasikara (RPedem) iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, afakomaly. Na­natrika izany ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Teo koa ny mpandrindra maharitra ny Firenena mikambana (ONU) monina sy miasa eto Madagasikara, i Ngoro­rano Anthony; ny solontena maharitry ny Fandahara­nasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), i Edward Christow. Nanampy ireo ny ambasadaoron’i Japon, i Tojima Hitoshi sy ny solontena manokana sy tomponandraikitra voalohan’ny Vondrona afrikanina eto Madagasikara, i Dibi Bongro Zephirin, ary ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Vinan’ny tetikasa ny hanorenana ny fifanarahana ara-piarahamonina sy ny hanomezan-danja ny safidin’ny tsirairay ary ny hahazoan’ny rafi-pifidianana maneho amim-pahamarinana sy amim-pilaminana ny safidy sy ny fahefana ananan’ny vahoaka. Na­hatratra 13 tapitrisa dolara mahery ny tetibola tamin’ny fifidianana filohan’ny Repo­blika 2023 sy depiote mey 2024 ary ny ben’ny Tanàna desambra 2025.
Amin’izao, hiatrika fifidianana indray i Madagasikara. Hanao ahoana? Araka ny tsilian-tsofina voaray, tsy mifarana ny fiaraha-miombon’antoka iraisam-pirenena ho an’ny fizotram-pifidianana eto Ma­dagasikara. Misy tetikasa Fanohanana ny fizotry ny fifidianana ho an’ny famerenana ny fanorenana indray an’i Madagasikara na ny Appui au processus électoral pour la refondation de Madagascar (Aperm). Efa an-dalana amin’ny fanatanterahana azy izany amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: