Vonona hanohy sy hanatanteraka ny fanamboarana ny arabe migodana (voie rapide) ny Samcrete. Voakasik’izany ny ampahany faharoa, miainga eo Anjozorobe hatrany Toamasina. Tsiahivina fa madiva ho vita ny ampahany voalohany, Ambodifasina-Anjozorobe, mirefy 80 km. Efa voaravona ny tany amin’ny 85 km, vita godirao ny 65 km. Maherin’ny 1 000 ny Malagasy mpiasa, ary 80 ny egyptianina. Mandalo eto Madagasikara ny mpitantana ity orinasa ity, nihaona tamin’ireo tomponandraikitra malagasy. Handray anjara amin’ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa hafa koa ity orinasa ity.
Hapetraka ny rafitra « Parc industriel minier ». Tanjona ny hisarihana ny mpampiasa vola vahiny sy eto an-toerana, hanodina ara-indostrialy ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Ho jifaina eto an-toerana ny 30% ny vokatra, ary hapetraka sy hamoraina ny fananganana ny fotodrafitrasa ilain’ny orinasa na mpandraharaha tsy miankina. Hiarahana amin’ny mpiara-miombon’ antoka ny fanofanana ny teknisiana sy ny fampitaovana, hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ireo orinasa eto an-toerana (sous-traitants) manao tolotrasa.
Natao omaly maraina ny fihaonan’ny MEF sy ny sehatra tsy miankina, mahakasika ny LFI 2027. Nihaona tamin’ny fiarahamonim-pirenena kosa ny tolakandro. Fotoana nifampizarana sy nikaonandoha amin’ ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ny tena
filan’ny vahoaka. Hanatsarana ny tetibolam-panjakana mba hisy vokatra mivaingana mitondra fampandrosoana izany. Anisany ny fanarenana ny toekarena, ny sosialy, ny fahazoana jiro sy rano, sns.




