Amoronakona: ho avy ny “navette”

Mampimenomenona ny olom-pirenena sasany amin’ny famindrana ny fitaterana eny Amoronakona ny halaviran’ny toerana raha miala any amin’ny toerana hiangana, Anta­nanarivo sy ny manodidina. Nipaka any amin’ny fanjakana izany ka nitady vahaolana hanamorana ny fivezivezena mankeny an-toerana ny tomponandraikitra.
Hisy ato ho ato ny “navette” manokana hitaterana olona makeny amin’ny toby Fisandratana. Na izany aza, namoaka ny fomba hanamorana ny fahatongavana eny ny avy ao amin’ ny minisiteran’ny Fitaterana.
Afaka mampiasa ny lamasinina, zotra Soarano-Ambo­himanambola, ireo olona mikasa ny ho eny an-toerana, izay misy isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Miainga
eo Soarano manomboka amin’ny 5 ora sy sasany maraina, amin’ny 1 ora atoandro ary amin’ny 5 ora sy sasany hariva. Maro ihany koa ireo taxi-be mampifandray eny an-toerana ka tsy tokony ho olana ny fahatongavana eny.
Efa nisy ny fandaminana tamin’ity herinandro ity, izay nifantoka tamin’ny ara-teknika sy ny fampiasana ireo “box”, ny fiaingana sy ny fahatongavan’ny fiara.

Tatiana A

Partager sur: