Fantina sy fintina

Ny Vondron’ny Hetsika Federaly sy Vovo­nana itambaran’ny Federalista Malagasy ary ireo an­toko politika samihafa miisa 80 mahery indray no noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana teny Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra hatrany ao anatin’ny dinika fakàn-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fifanakalozana.
“Ny fikaonandoham-pirenena no tompon’ny teny farany”, hoy ny KMF/Cnoe momba ny fanoma­nana fifidianana. Nisy ny fakan-kevitra notanterahina tany Morondava ny faran’ny herianandro lasa teo. Nita­rika izany ny filohany, i Namearison Robert. Tokony hiomana handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena kosa ny vahoaka, hoy izy ireo.
Nosoniavin’ny minisitry ny Raharam-bahiny, N’Diaye Alice, sy ny ambasadaoron’i Japon Masoi­voho miasa sy monina eto Madagasikara, i Hitoshi Tojima, teny Anosy ny feran’ny herinandro teo, ny hanoloran’ ny firenena japoney vola 300 tapitrisa yens hanohanana ny sehatry ny fambolem-bary eto Madagasikara. Nifo­totra amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izany.
Nandray ny mpiandriki-draharaha mpisolo toerana amerikanina, Thomas Bevan, teny amin’ny birao fiasany, Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Voaresaka tamin’izany ny fahamatoran’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, indrindra ny lafiny toekarena anohizana ny Agoa hatramin’ny faran’ny 2028.

Partager sur: