Toamasina: ho foanana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka

Nanao fivoriana tsy ara-potoana ny Filankevitry ny tanàna Toamasina I, nanomboka ny 31 aogositra ary nifarana ny 2 septambra teo. Nankatoavina ny hanarenana ny lalan-dratsy rehetra ao an-tampon-tanàna.

Anisan’ny lahadinika ni­vo­riana ny hitadiavana famatsiambola hanamboarana ny lalana rehetra eto an-tampon-tanànan’i Toama­sina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana « Venance Mani­fatra » mampifandray ny Bou­le­vard Ratsimilaho sy ny Bou­levard Ralaimongo. Eo koa, ny lalana « Rue de la Pe­louse » sy ny Radama. Araka ny baikon’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, hare­nina daholo ny fotodrafitrasam-bahoaka simban’ny rivodoza Gezani farany teo. Efa natsangana ny Vaomiera mpandrindra ny fanarenana an’i Toamasina (UCR), izay manana famatsiambola avy amin’ny mpamatsy vola isan-karazany amin’ny alalan’ny fanampiana vokatry ny loza voajanahary. Mitarika ny UCR ny jeneraly Ramasy.
Tsy niandry ela, fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 1 septambra teo, ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny lalana eto an-toerana. Nitarika izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, misahana an’i Toamasina, Razara Pierre.
Nambaran’ny ben’ny Ta­nà­na, Andriafano­mezantsoa Alain, fa ho foanana tanteraka ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka eto Toamasina. Satria, manome endriky ny tanàna sy maha mendrika ny seranan-tsambo iraisam-pirenena, izay ho vita atsy ho atsy.
Tsy azo ekena ny fanimbana

Nohamafisin’ny solombavambahoaka, Razara Pierre, fa ho sarotiny ny fitondram-panjakana amin’ny fanajana ny fotodrafitrasa, ary tsy azo ekena ny fanimbana ny fananana iombonana. Etsy anki­lany, mitohy ny fanesorana ireo mampiasa ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Noso­kafana koa ny lalam-pasika, ka hoesorina ireo manorina fotodrafitrasa eo ambony tatatra.

Sajo

Partager sur: