Vaovao tambatra

Mahatratra 91,18 dolara ny vidin-tsolika 1 barila, (= 160 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena WTI, ny zoma 4 septambra teo. Tsy mitsaha-misondrotra indray ny vidiny, noho ny fiverenan’ny ady eo amin’ i Etazonia sy Iran miampy ireo firenena maromaro any Moyen Orient. Tamin’ny 23 jolay 2026 teo no naha­tratra io 92 dolara io ny vidin’ny 1 barila, nihena efa 74 dolara ny fiandohan’ny volana aogositra, saingy izao miha-misondrotra izao indray.

Afaka manondraka velaran-tany 20 000 ha ny Lemaka Bas Mangoky. Mamoaka rano 40m3 isan-tsegondra ny tohodranon’i Bevoay, raha toa ka 16 m3/s no ilaina amin’ny fambolem-bary any Bas Mangoky, manondraka tanimbary 8 000 ha. Faly ny tantsaha ary velom-panantenana fa hiakatra ny vokatra satria mamboly indroa isan-taona any an-toerana.

Miisa 3 000 ny zanaka akoholahy nozaraina tany Andemaka Vohipeno, ny 2 septambra teo. Tafi­ditra ao anatin’ny tetikasa Progres, ny FSRP ary ny PIC ity hetsika ity, hanampiana ny asa fivelomana sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Mahatratra 1 500 isa ireo nisitraka ny fanampiana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiompy sy hampiroboroboana ny famokarana. Hitohy any amin’ny faritra hafa ity fanohanana ity.

Partager sur: