Fananganana fotodrafitrasa: hanohana i Kanada sy i Dubai

Natao sonia, androany, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Anteni­mie­ran’ ny Varotra avy any Kanada sy Dubai. Fifana­rahana mifantoka amin’ny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny fotodafitrasa eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa sy manampahaizana avy any Kanada sy Dubai, ny fampitana fahaiza-manao, traikefa ary teknolojia amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa. Eo koa, ny famolavolana sy ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe. Kendrena ny hahazoana fotodrafitrasa tsara kalitao, maharitra ary mifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Hitondra vokatra mivaingana sy tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy.
Tsy maintsy hotanterahina
Nankasitraka ity fiaraha-miasa ity sy ny fahavononana nasehon’ireo mpiara-miombon’ antoka ny minisitry ny Asa Vaventy, ny Dr. Rafefimanana Richard. Notsindriany manokana, fa efa vonona tanteraka ny mpiara-miasa sy ny teknisiana ao amin’ny minisitera tarihiny, amin’ny hetsika sy tetikasa mitondra fampandrosoana ny lafiny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Nohamafisiny, fa tsy hijanona ho fifanaovan-tsonia na fifanarahana an-taratasy fotsiny izao fiaraha-miasa izao. Tsy maintsy hotanterahina antsakany sy andavany ireo fifanekena sy ny asa voarakitra ao anatin’ity fifanarahana fiaraha-miasa ity.

Njaka A.

Partager sur: