Dinika politika eny Iavoloha: mitaky fitoniana ny fanaovana fifidianana

Hitohy amin’ity herinandro ity ny dinika politika eny Iavoloha. Handray ireo filoham-pirenena teo aloha ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nohainoana ny vondrona sy antoko politika, toy ny Irmar, ny MMM, ny Siap sy ny Avi, izay manamafy fa fitoniana aloha vao fifidianana.

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny dinika politika ny eny Iavoloha manomboka anio. Handray ny filoham-pirenena teo aloha, ny raiamandreny am-panahy sy ara-drazana ny Kly Randrianirina Michaël. Naha­vita ny azy ny mpanao politika.
Mazava ny resaka fifidia­nana eto Madagasikara. No­ha­mafisin’ny ankolafin-kery poli­tika, fikambanana, firaisamonim-pirenena, tanora nandray anjara tamin’ny dinika teny Iavoloha fa mitaky fitoniana aloha vao miroso amin’izany. Samy nitondra ny heviny tamin’ ny alalan’ny fametrahana tahirin-kevitra teny amin’ny Filo­han’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, avokoa ny mpandray anjara. Samy nanana ny tolo-keviny, toy ny famerana ny taonan’ny olona mahazo ho fidiana. Nisy ny mbola mitaky ny fandravana rafitra, sns.
Anisan’ny nanamarika ny dinika ny fififampizarana ny traikefa niainan’ny antoko isani­sany, tamin’ny fifidianana rehetra tany aloha. Nitondra ny anjara birikiny teo imason’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny mpiantsehatra nahazo fanasana.
Fitoniana aloha

Nanamarika ny dinika, namaranana ny herinandro ny fifampizarana nataon’ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana na ny Avi, notarihin’ny Dr Andriami­harivolamena Zava­manitra, notronin’ny Me Rato­vondrajao Fredon, sy ny filoha lefitra Ra­litera Ndriana. Nivoitra tamin’ny tahirin-kevitra mahatratra 89 pejy, fa zava-dehibe amin’ny hoavin’i Madagasikara ny fahavitan’ny fifidianana madio sy mangarahara, ary eken’ny besinimaro. Hisorohana ny disadisa mialoha, mandritra, ary aorian’ ny fifidianana dia tokony hisy ny fitoniana politika. Mila apetraka mialoha ny tontolo milamina, ka ahafahan’ny mpiantsehatra rehetra miaina sy miara-miasa anatin’ny fifampitokisana.
Ho an’ny Avi, zava-dehibe mila fanavaozana miaraka amin’izany ny firafitra sy ny satan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Tokony ho hamafisina ny fahefany amin’ny fitantanana fifidianana sy ny fanarahany maso ny fikarakara sy ny fizotrany. Nanolo-kevitra ny hamadihana ny heloka sasany amin’ ny fifidianana ho heloka bevava ihany koa ny antoko. Fomba iray ahafahana misoroka ny tsy fanarahan-dalàna izany.

r.r

Partager sur: