Tsara fiditra ny CFFA teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ratsy fanombohana kosa ny FC Rouge, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny amboaran’ny kaonfederasiona. Vokatra, teo amin’ny fihaonana savaranonando mandroso avokoa ireo.
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, ireo lalao roa amin’ny fifanintsanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ny ekipa tompondaka sy ny tompon’ny amboara. Ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsara ny vokatra ho an’ny CFFA. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 0 nanoloana ny FC Lijabatho Lesotho. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Côte d’or Maurice. Baolina roa tafiditr’i Gone, teo amin’ny minitra faha-60 sy ny an’i Fitahiana, tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 3.
Ho an’ny mpilalaon’ny CFFA ny nameno ny kianja ary voafehin’izy ireo tanteraka ny teo afovoany ka nanahirana ny Lijabatho. Haingana ny tolotra nifanaovan-dry Bonara sy i Andy, nampian’i Tendry sy i Christiano. Na izany aza, tsy nisy ny baolina tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf indray niondrika tamin’ny isa, 2 no ho 0 ihany koa ny FC Rouge nanoloana ny Red Arrows Zambie. Lalao natao tao amin’ny kianja Levy Mwanawasa Stadium. Somary nihafihafy ny FC Rouge teo am-boalohany ka nohararaotin’ny zambianina, nampiditra ny baolina voalohany tamin’ny alalan’ny lohan’ i Eliya Mandanji (39 mn). Tokony hahasahala ny isa ny FC Rouge taorian’io rehefa voasakan’ny tanan’ny vodilaharana zambianina tao anaty faritra tsy azo ivalozana ny baolina saingy tsy notsofon’ny mpitsara ho «pénalty», izany. Nanampy baolina faharoa ry zareo mpampiantrano teo amin’ny minitra faha-57, izay tafiditr’i Alassane Diara.
Afaka herinandro ny lalao miverina ka handray ny CFFA atsy Afrika Atsimo ny Lijabatho, ny sabotsy 12 septambra ary hampiantrano ny Red Arrows ao Maurice kosa ny FC Rouge ny alahady 13 septambra.
Tompondaka




