Handball – Can Junior: indroa resy ny Akio Madagasikara

Faharesena indroa no azon’­ny Akio Madagasikara, teo amin’ny andiany faha-33 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja handball sokajy “junior” lehilahy. Fihaonana tantera­hina any Abidjan Côte d’Ivoire. Teo amin’ny andro voalohany natao ny sabotsy lasa teo, ho an’ny sokajy “B” lavon’i An­gola tamin’ny isa 49 no ho 17 ny Akio Madagasikara. Ma­nan­­tombo eo amin’ny haben’ ny vatana ny angole sady ma­tanjaka. Sahirana ny Mala­gasy mpilalao, tamin’ny halavan’ireo mpifanandrina taminy. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa 25 no ho 8 i Angola. Tsy nahatosika in­tsony ny Akio, teo amin’ny fi­zaram-potoana faharoa.
Omaly, mbola nomon­tsa­nin’­i Algerie, tamin’ny isa ma­zava, 46 no ho 15 indray ny Akio Madagasikara. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjakan’ny algerianina ny 60 mn nilalaovana. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany dia efa nitarika 22 no ho 8 i Algerie. Hita fa mpilalao ampy fihaonana sy manana traikefa ny alzerianina. Hiatrika an’i Nigeria indray ny Akio, eo
amin’ny lalao fahatelo ho an’ ity vondrona “B” ity.

Tompondaka

Partager sur: