Miantso vonjy ny fianakaviana: 250 tapitrisa Ariary levon’ny afo

Nitrangana haintrano goavana teny Soamanandrariny, ny alahady maraina teo. Levon’ny afo nandritra izany ny 250 tapitrisa Ar. Miantso vonjy ny fianakaviana lasibatra.

«Folo taona nivadiana, nanomboka nanangona tsikelikely ary nihary ireo fananana ireo izahay mivady», hoy Rafinaritra, raim-pianakaviana tompon’ny trano lasibatry ny afo tao Soamanandrariny, ny alahady lasa teo. Namonjy raharaham-pianakaviana tany ambanivohitra izy mianakavy. «Niambina ny trano ireo mpanampy tamin’io alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 6 septambra io», araka ny fanazavana voaray. Naharay antso anefa ny tompon-trano fa may ny tanàna fonenan’izy ireo. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy ny afo ka tsy voafehy intsony. «Nikasa hamoaka ny kamiaokely ilay mpamily saingy efa nisy afo», hoy ity raim-pianakaviana ity. Levon’ny afo avokoa ny fiara, milina fanodinan-kazo sy ny entana rehetra tao amin’ny trano. «Levon’ny afo hatramin’ny fitaovana entin’ny ankizy hiditra hianatra. Mitentina eo amin’ny 250 tapitrisa Ar eo ny fatiantoka vokatr’io fahamaizana io», hoy ilay raim-pianakaviana. Niara-nientana ny mponina manodidina sy ny mpamonjy voina nifehy ny afo teny an-toerana.

Mampiahiahy
Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana momba ity tranga fahamaizana niteraka fatiantoka goavana mamelona ankohonana maromaro ity. Ahin’ny tompon-trano lasibatra ho fototry ny afo ny hasomparana nataon’olona. «Tsy avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny firehetana. Nahitana firehetana tamin’ny tany ma­nodidina ny fefy», hoy ny fanampim-panazavana. Ha­maritra ny tena zava-nisy marina nahatonga ity haintrano ity ny voka-panadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: