“Kits” Starlink miisa 300 miaraka amin’ny tolotra internet maimaimpoana no hatokana ho an’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka fanitarana ny fisitrahana internet sy hampihena ny elanelana ara-niomerika. Taorian’ny fametrahana internet maimaimpoana teny amin’ny Oniversitem-panjakana samihafa, mitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ary ny Starlink. Ho laharam-pahamehana amin’ny tetikasa ireo faritra mbola mitoka-monina ara-niomerika sy ireo toerana mbola sahirana amin’ny fisitrahana internet tsara kalitao. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika sy hisitrahan’ny Malagasy tsy ankanavaka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra.
Soa fanararaotra
Hampihena ny volan’ny mpanjifa mivoaka amin’ny fividianana tolotra samihafa ny tetikasa. Manome vahana ihany koa ny fifaninanana eo amin’ireo mpisehatra ka hanamora ny fisitrahan’ny Malagasy internet. Ankilany, misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra maneran-tany momba ny teknolojia i Madagasikara, hampiroboroboana ny fandraharahana niomerika, ny tolotra samihafa mba hipaka mivantana eo amin’ny toekarena sy hiteraka asa. Manokatra varavarana ho an’ireo teknolojia maneran-tany ny tetikasa. Kendrena ny handraisan’ny Malagasy anjara amin’ny fampivoarana ny toekarena niomerika.
Henintsoa




