Eny amin’ny biraom-panjakana: tokony horaisina tsara ny rehetra

Nanaovan’ny minisitry ny Asa, Denis Franconio Mac, fanamarihana manokana ny fandraisan’olona eny amin’ny biraom-panjakana, omaly, nandritra ny fananganan-tsaina. Mendrika fandraisana tsara mitovy avokoa ireo olona rehetra tonga manatona ireny biraom-panjakana ireny.
Na avy aiza ny fiaviany na toy inona endrika ivelany, mitovy avokoa ny olona manan-draharaha eny amin’ny biraom-panjakana. Mendrika hajaina, omena torohevitra am-pitoniana.
Tanjona ny hanome fahafaham-po ny vahoaka rehetra mila ny tolotra avy amin’ny asam-panjakana.
Tena mampalaina ny olona ny miditra biraom-panjakana noho ny antony maro, indrindra ny avonavona sy fahasiahan’ny mpiasam-bahoaka mandray azy ireny. Fanilikilihana, fanaovana fijery hafahafa, fanambaniana…
Lasa misy elanelana lavitra eo amin’ny mpiasam-panjakana sy ny vahoaka manan-draharaha noho ny fomba tsy mendrika fahita eo amin’ny lafiny fandraisana olona, hoy hatrany ny minisitra. Mila fanarenana haingana sy mahomby izany.

Tatiana A

Partager sur: