Mihetsika ny tontolon’ny hatsikana. Mipoitra ireo manan-talenta, toa an’i Godar, vonona hitsapa mpankafy.
Misy ary maro ny mpanao hatsikana misondrotra izao. Iray amin’ireny Andriampita Miranto, fantatra kokoa amin’ny hoe Godard. Efa tsikaritra tamina seho niarahana mpanao hatsikana maromaro, toy ny «Festival Jôkossô» izy. Fantatra kosa izao fa mitohy miakatra ny lalan’i Godard, ka hisedra ny sehatra irery izy. Hotontosaina ny sabotsy 10 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny seho. «Hiresahako ny fiainana andavanandro, ny zavatra mampihomehy hita eny amin’ny fiarahamonina, ny mpanakanto mpihira taloha sy ankehitriny, ny zavatra hita any am-piasana, sns, io. Ny tanora sy ny olon-dehibe aloha no tena andrasana. Azo lazaina hoe voalohany, na dia efa niaina tamina sehatra kely aza aho. Izao aho vao tapa-kevitra sy vonona tsara satria mila fiomanana io fa tsy hoe manao Rakoto na Rabe dia hanao koa aho. Ny mampiavaka an’io dia ho asehoko ao anatin’io seho io ny karazana hatsikana ataoko ankoatra ny stand up», hoy ity mpanao hatsikana ity.
Ankoatra ny maha mpanao hatsikana, mpanentana fandaharana amin’ny onjampeo i Godard. Mpilalao sarimihetsika ihany koa ankoatra ny tena asany. «Nalefan’i dadanay nianatra art dramatique tao amin’i Henri Randrianierenana aho dia izy no niteny tamiko hoe ialahy bandy comique fa trandrao izany, dia nandray anjara tamin’ny Talenta sy kanto tao amin’ny Esca aho taorian’izay. Teo no tena nanombohako, dia avy eo nantsoin’ireo zokinay anatin’ny hatsikana tahaka an-dry Francis Turbo sy Gothlieb hanao ny tapany voalohany tamin’ny fampisehoany», hoy ny fitantaran’i Godard ny nanombohany tanatin’ny tontolon’ny hatsikana.
Zo ny Aina




