Tsy sarintsariny hoy ry vazaha

Tsy niala teny an-dapa mihitsy, nandritra ny andro maro­maro, ny vahiny mpanara-maso. Nanatrika hatramin’ny farany ny dinika politika izy ireo. Tsy afaka ny mandray anjara fa mitazatazana fotsiny aloha. Tsy manana fahefana hijabaka koa. Na ny filohan’ny Fanavaozana aza tsy nahazo laka, hiteny na hizara hevitra. Natokana ny mihaino sy mizarazara izay hevitra madinidinika eny no asa. Angaha hita fa misy koa indraindray ny tompon’ny teny farany.
Tsy nahasakana ny dinidinika an-jorony tamin’ny vazaha anefa ny lamina napetraka. Nahaliana ny fifampizarana. Niaiky ny Firenena mikambana sy ny Vondrona afrikanina, hatramin’ny Sadc, fa tao amin’ny nilana azy ny fizotry ny dinika, hono! Tsy kisarintsarim-pivoriana fa natao tamin-kalalahana. Nahafahan’ny mpandray anjara nizara ny heviny araka izay nahametimety azy. Tsy nisy teritery, voahaja ny fahafahana miteny na voafetran’ny fotoana aza.
Andrasana, araka izany, ny havoaky ny ampitso amin’ ny lalàm-pifidianana izay ho volavolaina. Raha ny zava-misy manko, miaiky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa sarotra ny miandry an’i Madagasikara sy ny mpitondra, amin’ity resa-pifidianana madio sy mangaraharaha ity. Anisan’ny mbola fanamby lehibe ny momba ny fanisana ny mpifidy. Ny an’i Madagasikara, hafakely rahateo. Dingan-dava eny ambovonanana avy hatrany. Ny niomerika no lasa aloha, ny eny ifotony tsy hita maso.
Ny zava-dehibe, hatreto, efa misy ny finiavana. Man­kasitraka izany ireo milaza azy ho “mpitazana” sy “mpanombana”. Ny fanatanterahana ny teny nomena ihany ny azy ireo no mba fantany. Rehefa nilaza fa hanatanteraka fifidianana ny fitondrana, dia tsy maintsy izay no izy. Ny toky fitaka fa ny hatao no ho hita ny an-dry zareo vazaha.

r.r

Partager sur: