Ankazobe: mpirahalahy nifanditra, namoy ny ainy ny iray

Namoy ny ainy taorian’ny fifandirana teo amin’ny zokiny lahy ny tovolahy iray 28 taona tao Mahazoarivo, fokontany Antongobato, kaominina Anto­tohazo, distrikan’Ankazobe, ny alahady 6 septambra teo. Namonjy ny tokantrano fonenan’ny zokiny lahy ity tovolahy vao erotrerony ity. Nanako­rotana ny fianakaviana izy ka voatery niantso mpitandro filaminana mba handamina azy ilay zokiny, ny tolakandron’ny sabotsy 5 septambra teo. Nalain’ny zandary taorian’izay ilay tovolahy voalaza ho niteraka ny fifandirana. Nalefa nody izy taorian’ny fifampiresahana nataon’ny mpitandro filaminana taminy. Niverina namonjy ny trano fonenan’ny rahalahiny izy. Niafara tamin’ ny fifampikasihan-tanana. «Notaritarihin’ilay rahalahiny izay notafihiny io zandriny io», hoy ny fanazavan’ny zandary.
Nivoa-dra
Naharay antso ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ ny tobim-paritra Ankazo­be momba ny fisiana olona namoy ny ainy tao amin’ny fokontany voakasika. Noza­han’ny mpi­tsabo, nahitana ra nivoaka ny orona sy ny sofin’ilay lehilahy maty. Naratra mafy ny lohany ary mangana ny lamosiny. Niteraka ny famoizany aina ny fahaverezan-dra be loatra, araka ny tatitry ny mpitsabo nanao ny fitsirihana. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’ity farany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao Ankazobe.

Tsiferana R.

Partager sur: