Fampiasambolam-panjakana: hifantoka amin’ny politikam-pampandrosoana

Hametraka politika nasionaly vaovao momba ny fampiasambolam-panjakana ny Governemanta. Tanjona ny hanana vina maharitra sy vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Hiara-hiasa ny Prima­tiora, ny Oniversiten’ An­tananarivo, ny Ima­tep ary ny Enam hanamafy ny fan­drafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana. Nanao sonia izany teny amin’ny Lapan’i Mahazo­a­rivo, omaly, ireo mpisehatra voalaza. Tanjona ny hana­nana politika mifototra amina vina maharitra sy matanjaka izay hipaka mivantana amin’ ny fiainan’ny mponina sy ny toekarena. Voafaritra ao ana­tin’ny fiaraha-miasa ny hampihena ny elanelana misy eo amin’ny famatsiam-bola sy ny vokatra andrasana. Kendrena ny hamaliana haingana ny filan’ny mponina amin’ny alalan’ireo tetikasa samihafa sy hanohanana ny fampandrosoana ny toekarena. Omena lanja ao anatin’izao dingana izao ny fahaiza-manao eto an-toerana sy ny anjara toeran’ny manam-pahaizana sy ny ta­nora, indrindra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo ivontoeram-pampianarana ambony. Kendrena ny hampifandray ny tontolon’ny fika­rohana sy ny fampianarana amin’ny filan’ny sehatry ny asa sy ny fampandrosoana.
Ho an’ny rehetra

Misokatra ho an’ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, ny vondrona mpikaroka ary ireo manam-pahaizana eto an-toerana sy any ivelany ny fandraisana anjara. Miantso ireo manana traikefa, fahaiza-manao na tolo-kevitra azo hampiharina mba handray anjara amin’ny famolavolana ny politika na­sionaly ny fanjakana. Nanom­boka omaly ka haharitra iray volana, hatramin’ny 9 oktobra, ny fisoratana anarana. Hatao ny 19 oktobra hatramin’ny 18 desambra kosa ny fifanakalozana ara-teknika amin’ireo lohahevitra samihafa. Din­gana lehibe hanatsarana ny fitantanambolam-panjakana ny tetikasa hapetraka. Tan­jona ny hamadihana azy ho vokatra, hanohana ny asa sy ny toekarena ary hitondra tombontsoa maharitra ho an’ ny mponina.

Henintsoa

Partager sur: