Fanatanjahantena: hanatevina ny tontolo ny Aikon

Tonga manatevina ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena ny gazety boky Aikon. Nampa­hafantarina ny zoma lasa teo, tao amin’ny efitranon’ny Kianja Barea Mahamasina ny fivoahan’ny laharana 00. Namba­ran-dRakotondrasoava Fetra, talen’ny famoahana, fa mifantoka tanteraka amin’ny fanatanjahantena ny Aikon. Amin’ izao fiandohana izao aloha, isaky ny telo volana ny fivoahan’ity gazetiboky ity.
Voafaritra ao anatin’ny Aikon avokoa ny manodidina ny fanatanjahantena rehetra na ho an’ny taranja iraisana na ho an’ny an’olon-tokana. Famakafakana lalina miainga eny ifotony ny ankamaroan’ny lohahevitra ao anatiny, izay sahanin’ireo mpanao gazety efa feno traikefa. Ho hitan’ny mpamaky ao ihany koa ny fampahafantarana atleta mi­songadina, ny fanadihadiana amin’ny alalan’ny fanonta­niana sy valiny. Ny torohevitra sy fampahalalana ny taranja iray. Ankoatra izay, hiresaka ny sakafo ara-pahasalamana mifandraika amin’ny filan’ny atleta ihany koa izy ity. Miloko avokoa ny ankabeazan’ny sary ao anatin’ny Aikon.

Tompondaka

Partager sur: