Haikanto Malagasy: hisy ny fampirantina ho an’i Razakaratrimo Zo

Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Mala­gasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razaka­ratrimo Zoarinivo na Ma­dame Zo. Eny amin’ny Ivon­toerana vaovaon’ny Fonda­tion H, eny Amba­tomena no hanatanterahina ity fampirantina lehibe ity, ny 28 Avrily 2023. “Bi­entôt, je vous tisse tous,” io no lohateny nampitondraina ity fampirantina ity.Hisy ny mpahay kanto vahiny isaky ny karazany avy ho avy eto Madagasikara, hi­ara-hiasa amin’ny fanomezana lanja io fampirantina io. Isan’izany i Masami sy Grace Dorothée ary Amina Agueznay. Eo ihany koa ny mpitsara sy mpandrindra nasain’ny Fondation H manokana ho an’izao fampirantina izao.
Mpanenona malagasy isan’ny nanana ny naha izy azy Razakaratrimo Zoari­nivo. Ny taona 2020 izy
no nandrombaka ny Prix Pari­tana. Fotoana vitsy taorian’izay anefa dia nodimandry izy ka tsy afaka nisitraka ny tombontsoa ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana. Na­hatsiaro ho manana adidy aminy ny fianakaviamben’ny fondation H ka izany indrindra no isan’ny anton’izao fampirantina lehibe ho fa­ha­tsiarovana azy izao. Maro ny vahiny mitolagaga amin’ny haikanto nataon-dRaza­karatrimo Zoarinivo. Isan’izany i Hassanein Hi­ridjee, talen’ny Fondation H. Efa eto Madagasikara i Masami, mpahay kanto Japoney, sy i Grace Dorothée avy ao Ca­me­roun. Mbola eo ampi­andrasana an’i Amina Aguez­nay kosa ny mpikarakara. Izy izay higadona eto Madagasikara ny volana marsa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: