Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Rakoto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. Andran-tsira ihany anefa izany, satria hanamarika ny 40 taona an-tsehatra no tena antondian’i Mam’Rakoto eto.
Seho iray, hanasany ireo mpankafy eto an-tanindrazana, no homanin’i Mam’Rakoto ny 23 avrily izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Efa nambarany fa hanotrona azy amin’izany i Hery, izay rahalahiny sady nifanohana taminy tao anatin’ny mozika hatramin’izay. Eo ihany koa i Fanja Andriamanantena, izay miara-manomana amin’i Mam’Rakoto ny fiarahana anaty mozika.
“Ho avy”, nalaina tamin’ny hirany ihany no lohateny nomen’i Mam’Rakoto ity fihaonana amin’ny mpankafy ho fanamarihana ny 40 taona an-tsehatra ity. Fantatra fa nahavitany rakitsary vao haingana ilay hira “Miserana”. Hataony amin’io koa ireo hira nametrahan’i Mam’Rakoto ny dian-tanany eo amin’ny sehatry ny mozika iraisam-pirenena, toy ny “Dago”, “Rajandry”, “Rano sy vary”, sns.
Zo ny Aina